« Maitso aho omaly, Mena aho ankehitriny nefa ho Maitso indray aho rahampitso” Madagasikara.
Ny « Maitso Tsara », Fikambanana tanora miaro ny tontolo iainana, tsy mitady tombon – tsoa manokana fa tombontsoa iombonana.
Taona 2011 no nanomanana ny tetikasany, ary tafajoro ho ara – panjakana ny 12 Martsa 2013.
Maro ireo sehatra iasany toy ny resaka Fiovaovan’ny toe – trandro, ny fiarovana ny tontolo iainana ny Miralenta iarahana amin’ny ONG “Gender Links”, fanatanjahan – tena, fialam – boly, fanentanana “Rano Fanadiovana Fidiovana” iarahana amin’ny Fikambanana “Manorintsoa”.
Fikambanana tsy manavaka fihaviana, firazanana, finoana. Ary tsy mifidy salan – taona ny fidirana aminy. Izany hoe misokatra ho an’ny rehetra ny Fikambanana.
Maitso Tsara dia isan’ireo fiaraha – monim – pirenena hiezaka hahatratra tanjona maromaro, entina hampadrosoana ny Kaominina Tsiafahy sy ny manodidina. Manana tanjona lehibe hanatsarana ny fomba fitantanan’ireo Fitondram – panjakana eo amin’ny Kaominina Tsiafahy.
Natao hanehoana ireo asa tsara efa vitan’ny Fikambanana ary hanehoana ireo tetikasa mbola ho katsahina no antony nananganana ity site Web “MAITSO TSARA” ity.
Ny mandrafitra ny birao mitantana azy:
![]() | ![]() |